NY HALEMEKO NO HERIKO (APAL EKAR BEMASOANDRO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha izao fahalemena ananako izao
No ataoko mahakivy ahy (dia mbola ho tena) sarotsarotra ihany,
Ny hino hoe hahavita na dia iray dia amin’ny fihazakazahako amin’ny asa fanompoana

Fantatro fa raha ny ota vitako no visaina
Dia tsy ahasahy akory iandrandra Azy aho
(Ka) nefa dia ndeha hiroso ihany aho
Ataoko anatra ny nenina
Mandra-pialan’ny fofon’aiko aho tsy maintsy ahavita ny fiazakazahako aho

Kanefa dia izao : raha mandinika izao hita izao,
Mbola maro ireo mila hamoy fo (sy miemotra
Fa) izay nanaiky ho irakao (ve) no tsy ampy ?
Sa kosa ny asa ataoko no tsy mety ahakasika ny fon’ireo mila azy ?

Hoy tokoa Ianao ry Jesoa « Be tokoa ny vokatra fa ireo hijinja no vitsy »
(Inty aho) Tompo ô, ny halemeko no heriko, aoka Ianao hanefy ny amiko
Nampanompo tsy mahasoa dia ho fitaovana hampandeha ny asa nanirahana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APAL EKAR BEMASOANDRO
Visites : 142
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : APAL
Date : 01/08/2024 13:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789