Tsarovy anie (Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I) Tsarovy anie tsarovy anie fa ity tany ityDia fandalovana ihany fa vahiny isika no ety
Any andro any andro any andro iray
Tsy maintsy hiverina daholo amin'Andriamanitra Ray
D.C
Fiv: (Beso) (Koa ta-) Koa tandremo koa tandremo ry velona ô
(Ny fiainana) Ny fiainana eto anie malama ka mitandrema re
(Manaova soa) Manaova soa (Manaova soa) manaova soa raha mbola velona
Ka aza mba ketraka fa milofosa izao
II) Na soa na ratsy vitanao tsarovy tadidio
Tsy maintsy handalo fitsarana ampitso na anio
'Zay vao menatra ianao raha toa ka tsy hanakambara
F'izay rehetra vitanao voasoratra mba ho tantara
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy OmegaVisites : 1446
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hasixan
Date : 10/05/2015 15:01