Mila ny herinao (AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mbola manjaka eto aminay ny ota e:
Mbola manjaka eto aminay ny ota sy ny fanangolen'ny satana
Mbola minia manadino anao 'zahay e
Mila ny herinao 'zahay ry Ray mba hanafaka ny fatotray
Fa ianao tokoa ry Ray no mpamindra fo (ou ou ou mpamindra fo)
Mba raiso re ry Tompo ô (ny talahonay)
Ianao ihany koa Mpahary sy Mpanjakanay ( ou ou ou Mpanjakanay)
Mamelà ny hadisoanay (ianao)

Ref: Fa mila herinao zahay hanampy anay hijoro
Sy hiaina ny teninao isan'andro ka ho fanasina
Hitory vaovao mahafaly sy fifankatiavana
Ka ho voninahitra ho anao Trinité Masina ô

2- Mbola manjaka eto aminay ny sampy ee
Mbola manjaka eto aminay ny sampy, ny ratsy sy fisaina maloto
Mbola miaina anaty haizina ny olona
Mila ny herinao zahay ry Jesoa handresenay ny herin'ny ratsy
Fa ianao tokoa Jesoa no fahamarinana (ou ou ou fahamarinana)
Lalana izoranay (mankany @ Ray)
Ianao ihany koa hitondra ny hazavana (ou ou ou hazavana)
Hampahita ny masonay (ianao)
3- Mbola manjaka eto aminay ny avonavona ee
Mbola manjaka eto aminay ny avonavona sy irony fandriky ny demony
Mbola voasarona ny fahamasinana a
Mila ny herinao izahay ry fanahy hanamasina ny asanay
Ianao ry Fanahy mameno ny fahendrena (ou ou ry fahendrena)
Manadio aminay ny fo sy fanahy (ianao fanahy)
Ianao ihany koa no afa-mankahery anay (sy mankahery)
Manazava ny fiainanay (ianao)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty
Visites : 588
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ares
Date : 28/09/2020 20:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783