Hobio ny Tompo (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- (Hobio ny Tompo ary derao fa nandresy) x2
Yéé hobio fa nitsangana ny fasana tsy nahatana
Dia resy tokoa re izao ny fahafatesana
Koa asandrato mafy re ny Tompo
Fa mendrik'Ilay Mpandresy

Refrain:
Hobio, Hobio fa nandresy
Jeso, Jesosy 'Lay Mpanjaka
Akoray, akoray f'efa resy
Ilay, satana efa lavo
Resy torotoro loha ilay menarana izay
Nandavo an'i Adama sy Eva
'Lay Jesosy izay nohomboina
Tao an-tampon'i Gologota
No nandresy ilay fahavalo
Nandavo ny razantsika
'Lay Jesosy izay nohomboina
Maty tokoa nalevina kanefa
Nitsangana tamin'ny andro fahatelo
Afak'izao isika

2- (Torio ny teny soa vaovao mahafaly) x2
Yééé, torio fa nitsangana Jesosy mpanavotra re
Dia azo tokoa re izao e ny Edena efa very
Koa asandrato mafy re ny dera
Fa mendrik'ilay Mpandresy

Refrain x2

A/C: Auguste RABEARIVELO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AKON'I BETELA
Visites : 22
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sarobidy
Date : 26/03/2026 08:52
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0979