Hanitra ho Anao (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Rainay o, kaloiko anio
Ny kanto indrindra avy ao am-po
Harafitray e, ny kalo angolam-peo
Ho amboaran-kira, hiderana anao) x2

Dia ho voninahitrao tokoa Ray ô
Izao hira kalokaloinay anio
Ka natambatray ilay talenta nomenao
Hanitra ankasitraho

Refrain:
(Rainay o, ankasitraho
Kalo hiran-janakao
Ho hanitra ho Anao) x2

(Hanitra ho Anao Tompo ô
Zao hira aterinay ho sorona
Toy ny an'i Abela nankasitrahanao
Ny am-boaran-kira atolotray izao) x2

Dia ho voninahitrao tokoa Ray ô
Izao hira kalokaloinay anio
Ka natambatray ilay talenta nomenao
Hanitra ankasitraho

Refrain x4

Ho hanitra ho Anao
Ho hanitra ho Anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AKON'I BETELA
Visites : 23
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sarobidy
Date : 25/03/2026 10:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0482