TANO AHO (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tompo ô ô ô! Ianao irery
Tompo ô ô ô! No Tompo mahery
Tompo ô ô ô! Iriko izao
Tompo ô ô ô! Ny anilanao

Raha lavitra Anao aho dia
Tena mijaly, fa tsy mba faly
Ny eto antany mamarina,
f'Ianao irery no marina Tompo ô

Tompo ô! Tazony aho ( Tano aho Tompo ô!)
Tompo ô! Mba ho Anao

2-Tompo ô ô ô! Izao hira izao
Tompo ô ô ô! Atolotro Anao
Tompo ô ô ô! Izay no mba haiko
Vokatra kely avy ato an-tsaiko

Raha lavitra Anao aho dia
Tena mijaly, fa tsy mba faly
Ny eto antany mamarina,
f'Ianao irery no marina Tompo ô

3-Tompo ô ô ô ! Ny hadisoako
Tompo ô ô ô ! Tena ho soloiko
Tompo ô ô ô ! Ny rariny indray
Tompo ô ô ô ! No asoloko izay

Raha lavitra Anao aho dia
Tena mijaly, fa tsy mba faly
Ny eto antany mamarina,
f'Ianao irery no marina Tompo ô
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Visites : 1100
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hanitrynylanitra
Date : 18/01/2018 16:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075