MANANTENA FANDRESENA (AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mila ho kivy ny tena sy fanahy Tompo ô,Kanefa kosa manantena fandresena Tompo ô.
Njay re manako ato anaty, mamelombelona fanahy
Ny teninao, ô ry Tomponay Tsitoha
Mino aho, manantena fandresena Tompo ô,
Satria Ianao no mitantana ny diako Tompo ô,
Tsy mba ho kivy intsony aho fa hitraka aho Jeso,
Satria Ianao no mitantana ahy Jeso.
’Zay rehetra ho avy antenaiko mbola apetrako aminao
Ka tsy manahy aho, tsy ho kivy intsony Tompoko Jeso
Tariho làlana izahay, ka hazavao koa ny sainay
Mba hanarahanay anao ry Tompo ô.
Mino aho, manantena fandresena Tompo ô,
Satria Ianao no mitantana ny diako Tompo ô,
Tsy mba ho kivy intsony aho fa hitraka aho Jeso,
Satria Ianao mitantana ahy Jeso.
A.F.I. (ANTSAN’NY FAHAZAVANA ITAOSY)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy)Visites : 3695
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 07/10/2005 08:02