O! ry Tompo (AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                     O! RY TOMPO
Mino izahay, fa ianao ry Ray
No fanilo mpanazava izany lalanay
Ny fitiavanao,izao tontolo izao
Nampiova olo -maro mba ho olombaova

Refrain             Ka ny hira fiderana no asandratray
                         Ho enti-mankalaza ny anaranao ry Ray
                         Ny hanompo anao hatrany maminay tokoa
                          Ho eo anilanao mandrakizay ry Tomposoa
                         Koa ventesinay, izany hiranay
                         Haleloia e! hosana haleloia fiderana
                         O! ry Tompo o, ny finoanao no nampiray
                         O! ry Tompo o,ampy ho anay ny fahasoavanao

Ndao hiara dia ,ry ondry nania
Fa Jesoa ilay mpiandry tsara nampifankatia
Tsy ho noana ianao , raha tafiditra ao
Tsy angetaheta intsony,fa olom-baovao
  
Refrain..............................................................            
                        O! ry Tompo o! ianao no fialofanay
                        O! ry tompo o!ianao no fahasambaranay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFI (Antsan'ny Fahazavana Itaosy)
Vangy : 3212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raliterahanitriniaina Nirina
Daty : 19/09/2003 08:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776