Avelao (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Miantso Anao Jesoa
Fa nioso-potaka aho
Be ireo mitsara
Manameloka ahy hoe:
Tsy mendrika ny ho zandrinao
Nefa hoy Ianao Jesoa:
"Ny maloto indrindra aminareo
dia manatona ho dioviko"
Ka inty aho Jesoa mba sasao

2)Olombelona aho Jesoa
Malemy vatana
Sady ety an-tany
Fakam-panahy
Mety hiverin-dalana indray
Ka mangataka anio
Omeo hery sy ampio
Izay ataonay am-pahendrena
Mba ho voninahitrao

      Ref : Ka avelao aho
               Hiantso ny Anaranao
                Ireo ditra natao
                Hovaiko noho Ianao
                Avelao aho
                Fa resy lahatra
                Ka izay lalana hitondranao ahy dia
                Izay no hizorako izao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Visites : 1671
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Date : 22/04/2017 10:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882