Mila Anao (AAF - Akon'anjomara Famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Mba rènao ve? Gny feo miantso!
Mila anao re, izy Tompo ka andao!
Iara-dalagna, Ifampitantana
Mba andray gne famonjeny

  Mbola fahiny! (Mbola fahiny)
Da nivejivejy tagny anao nitady
Izay mahafinaritra!!!
  Ankehitriny! (Ankehitriny)
Miverena f'Izy Tompo efa miandry
Anao iverin-dalana
Ovay ny toetra ratsy
Engao koa gn'adiady
Mba tsy anegnenanao agny afara

Milanao o o o!
Ka tapaho gny hevitrao ka
Milanao o o o!
Atolory anajy gne fonao
Milanao o o o!
Izy e vahaolagna ho anao ngah!
Milanao o o o!
Izy Tompo milanao ouh

Didy vaovao, gne navelany ho antsika
Mba ho ahy sy ho anao, nampianatra ifankatia
Mba ho marika, ho famantarana
Fa mpiainaNy Ianareo

  Fa Fifaliana, (fa Fifaliana !!)
Gne hiaignanao raha miaraka aminy
Fa tsy misy tomany
  Andao zalay, (hiaraky !!)
Andea mba hitory gne fitiavaNy
Ka ifagnampy
Ankalaza gne agnarany
Andray gne fasambaragny
Fa tsy hanegnenanao agny afara

A/C: Andry (chorale AAF)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AAF - Akon'anjomara Famonjena
Visites : 8
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sedson4
Date : 09/04/2026 12:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0315