GPl

Nampiditra ramanampamonjyelie
29/01/2018 12:54
Hiran'i GPl 11 Jereo eto
Vangy : 1020
Mpankafy : 0 Ankafizo
Misaotra anao izahay Jesosy ô!
Misaotra noho ny fitiavanao
Afaka nanompo Anao
Nitory koa ny teninao
Tsy heriko na tanjako fa fasoavanao

Jesosy ô! Ts’inon-ts’inon’izahay
Raha tsisy anao
Izay kely vitanay e!
Dia atolotray ho voninahitrao

Miandrandra Anao izahay Jesô!
Mino ny asam-pamonjenao
Tonga lafatra Ianao
Tsy miova ny fitiavanao
Na omaly na ho mandrakizay

Jesosy ô! Ts’inon-ts’inon’izahay
Raha tsisy anao Izay kely vitanay e!
Dia atolotray ho voninahitrao

Hiram-bavaka no asandratray
Ho anao Andriamanitray
Aoka tsy ho levona
Ny voa izay nafafinay
Fa ho tonga fiainana ao antinay

Jesosy ô! Ts’inon-ts’inon’izahay
Raha tsisy Anao Izay kely vitanay e!
Dia atolotray ho voninahitra

Hevitra momba an'i GPl

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i GPl (11)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111