Ianao irery (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay takarivan-dohataona
Ny lalantsika tafahaona
Ianao irery no mahalala ireny

Ny tantantsika nifandray
Ny anarantsika tafaray
Ianao irery no mahalala izany

Ny tambitamby tsy ho lany
Ny dongidongy, teny mamy,
Ianao irery no niantefan'ireny.

Ny hasambarantsy ho ritra
Isan'andro niainantsika.
Ianao irery no anton'izy ireny.

Fa mbola tsisy hatram'izao
Fitia mamy noho ianao
Fitia tsiambaratelo ireny
Tsy ankiteny.

Fitia miaritra eny foana
Fitia tsy lefin'ny fotoana
Fitia tsy adino mandra-maty
F'ao anaty.

...

Ireo andro maro nihafiana
Niaretantsika am-pitoniana
Ianao irery no mahalala izany.

Ny alahelo sy ahiahy
Rehefa ianao no lavitra ahy.
Ianao irery no mahalala izany.

Fa mbola tsisy hatram'izao
Fitia mamy noho ianao
Fitia tsiambaratelo ireny
Tsy ankiteny.

Fitia miaritra eny foana
Fitia tsy lefin'ny fotoana
Fitia tsy adino mandra-maty
F'ao anaty.
--------
Link:
Comments
hery ( 01/11/2022 16:32)
Hira nahafinaritra fa kay mbola tsy tato
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Voahangy
Hits : 746
Likes : 1 Like
Created by : hery
Date : 29/10/2022 11:18
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0977