RAISO NY FAMONJENA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mbola ao ve ianareo e? mbola ao tsara ve?
Toa tsy handrenesam-peo fa tena variana be
Fidionareo anio ary izay tompoinareo
F'izaho sy ny ankohonako hanompo an'i Jehovah!

REF:
Aza dia varimbariana intsony
Fa katsaho ilay fiainana any ambony
Fa ny eto an-tany misy fetra
Mandalo ny zavatra rehetra

Fa tsy mbola tara akory ianao
Raha toa tapakevitra amin'izao
Ataovy ny tokim-panekena
Aza mihenahena, raiso ny famonjena


2) Mifohaza izay matory ka mitsangana
Ialao ny torimasom-pahotana
Henoy ny feon'i Tompo mbola miantso anao
Anaty haizim-piton-drendrarendra lalin'izao

REF:
Aza dia varimbariana intsony
Fa katsaho ilay fiainana any ambony
Fa ny eto an-tany misy fetra
Mandalo ny zavatra rehetra

Fa tsy mbola tara akory ianao
Raha toa tapakevitra amin'izao
Ataovy ny tokim-panekena
Aza mihenahena, raiso ny famonjena

SVM-RANTSANA FANANTENANA
FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro itaosy
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Hits : 67
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 31/07/2024 11:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725