ATAOKO AHOANA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ray ô, ity firenena ity
Ankiniko Aminao satria
Variana sady sondriana ery
'reo olona eo aminy
Sitrano ny taniny
Jereo fa efa ho potraka
Ampio tsy ho trotraka
Ny taranany

REF:
Ataoko ahoana no fijery
Na koa hiafina hiery
Ka tsy mba handray anjara
Ho an'i GASIKARA

Inty aho Ray ô
iraho aho izao
Hanao ny asanao
Omeo hery vao

2) Ireo tanora miliba
Amin'ny zava-manimba
Mitady fahasambarana
Kanefa manganana
Mandany fananana
Ny toaka sy ny rongony
Tsy lazaina intsony
Simba ny fony


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
Comments
Sandosantos ( 11/05/2023 12:12)
Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?
(vavaka ho an'ny firenena)
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Hits : 275
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 11/05/2023 12:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773