Làkalàka (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Chapô  :
« Que l’existence, parfois,
Nous serve des hauts et des bas,
A nous d’en rire aux éclats !
De continuer à avancer de biais
Sans jamais reculer, quitte à zigzaguer.
La bonne vague est toujours là.
Elle nous attend,… Attrapons-la ! »
--------------

Làkalàkam-piainana iny
Niakà-nidina
Nitily vodilanitra, nanelatra
Nanidina.
Nitetitety vazan-tany
Hatrany ampara-lavitra any.
Tendrombohitra, tanety,
Tsy nisy namelany.
Fofofofo toa tadio,
Tselatra sy kotro-baratra,
Fafifafy herikerika
Tsy nampiato na nampierika.
Na dia Tsiafajavona aza
Nirintonany an’avona.
Vakivakim-piainana iny
Andavanandro iainana

Làkalàka, tompoko ô
K’aza mba miambàkavàka
Làkalàka, tompoko ô
Sangio hehy sy kàkakàka

Tonony sy feony : VAHÖMBEY
(Rakikira LàKALàKA - 2015)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vahombey
Hits : 1770
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 21/12/2014 14:16
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235