Hianatsimo (Tsota)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika olombelo
Tsy hay izay ao an-doha
Miovaova arakaraky ny any am-paosy
Misy mody mampalahelo
Misy mody mafana fo ah
Fa tsy niala anao aho
Na be ireo mpanodina
Kozy e

Tiako rehefa matoky ny zavatra ataoko
Mitovy fijery
Teo foana izy na mafy ny ataky e
Tsy namela ahy ho irery
Ka hoy aho hoe

Hianatsimo aho
Hianatsimo aho fa miomana soa a
Ho avy hangataka anao amin'ny olobe
Tsy maintsy miaraka aminao zaho mody e

Hianatsimo aho
Hianatsimo aho fa miomana soa a
Ho avy hangataka anao amin'ny olobe
Tsy maintsy miaraka aminao zaho mody e
ah

Sarotra fafàna
Fa tantara nosoratana miaraka
Ianao tsy fakam-panahy
Fa ilay faka taranaka
Na nandalo ny fifamaliana
Na nisotro ny rano tsy tiana
Na dia nisy fotoana variana
Ianao teo foana ah ah

Tiako rehefa matoky ny zavatra ataoko
Mitovy fijery
Teo foana izy na mafy ny ataky e
Tsy namela ahy ho irery
Ka hoy aho hoe

Hianatsimo aho
Hianatsimo aho fa miomana soa a
Ho avy hangataka anao amin'ny olobe
Tsy maintsy miaraka aminao zaho mody e

Hianatsimo aho
Hianatsimo aho fa miomana soa a
Ho avy hangataka anao amin'ny olobe
Tsy maintsy miaraka aminao zaho mody e
ah

Misaotra anao ny Atsantsa
Hey
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tsota
Hits : 2827
Likes : 1 Like
Created by : hery
Date : 15/05/2021 09:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728