Bex Iray dia Sôra Telo (BIST) (Tsota)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro nisy apis, nantsoiko tsy nandà
Dia niaraka nifampianatra an'ireo revy tsy manjary
Tsisy pasy aho dia ho'izy hoe ny foko no ivantano
Izy koa moa bebe entana ohatran'ny hoe hifindra trano
Dia nifanaiky, nifanoro, nifanoroka
Nahatoky be ny ampitso dia tys nahalala nisoroka
Nandeha ny fotoana, miha-miova ny zava-misy
Sady tsy Eva izy no tsy paoma, kay ilay bibilava mihitsy
Nisy namintana ny dobo
Dia mody hoe handeha hiala izy noho ny antony tsy kobo
Nefa iza no tsy mahalala, matoa ianao no miala
Efa zatra mandeha mafy sy efa zatra miramala

Izaho mihitsy no adala, nanadala ny adala
Fa izaho tsy miala maina fa ianao no niala bala
Ka andao, tsy asiako alahelo
Fa asiako bex iray dia sôra telo

Tsy very ianao, tsy very ianao
Na hanembatsembana eny ny hafa
Tsy very ianao, tsy very ianao
Na be mpanakora sy mpanatsafa

Indray andro nisy akama, akama tena akama
Rehefa tsisy izy nomena misy izy nakana
Ireo tsiambaratelo rehetra izy natàna
Rehefa misy manaratsy an'ialahy lagy izy mazàna
Mazava, fa frero dia frero
Fa saingy manova olona ny ariary sy ny Euro
Manao kibay an-kelika izy mody tsy mifaninana
Ialahy aty variana izy ary kay efa minana
Lasa niova ny story, tsisy irarahiko izay pentium sy core i
Ny fahatokisana rava lesy tsy vitan'ny hoe sorry
Fa click droite dia suppr ialahy ho'izy ny souris

Izaho mihitsy no adala, nanadala ny adala
Fa izaho tsy miala maina fa ianao no niala bala
Ka andao, tsy asiako alahelo
Fa asiako bex iray dia sôra telo

Tsy very ianao, tsy very ianao
Na hanembatsembana eny ny hafa
Tsy very ianao, tsy very ianao
Na be mpanakora sy mpanatsafa

Izay ihany dia ampy x3
Tsy hitarainana
Izay ihany dia ampy x3
Misy hisainana

Tsy very ianao, tsy very ianao
Na hanembatsembana eny ny hafa
Tsy very ianao, tsy very ianao
Na be mpanakora sy mpanatsafa

Tantara anakiroa anaty song anakiray
Ilazana hoe na be mpandoro hatramin'izao tsy may lessy 'zay
Tsisy malahelo, ampio bex iray dia sôra telo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsota
Vangy : 136
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/05/2025 12:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0787