Raha ny amiko (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny amiko dia tsinontsinona eo anatrehanao ry Ray TsitohaFa mpanota tokoa ka tsy mendrika ny handray ny lovasoa
Nefa Ianao miantso ahy hoe manantona
Ianareo izay mavesatra entana
Fa Izaho no hanome fitsaharana sy fitoerana
Fa Ianao ihany no làlana, làlana sy fahamarinana
Ary fiainana mandrakizay ka azo iankinana
Tsisy mankany amin'i Ray ny olon-drehetra ety
Raha tsy amin'ny alalan'i Jeso Kristy
Raha ny amiko dia zava-poana mandalo no tsy maharitra
Fa Ianao ilay doria sy mandrakizay ilay any an-danitra any
Koa raha ho avy Ianao, ho avy hitsara sy hanangana indray ireo olonao
Dia mba raiso aho Jeso, fa aza lavinao hoe eo an-kavananao
Koa mibebaha ianareo
Fa ho avy ny andro farany
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAHits : 285
Likes : 0 Like
Created by : Njaranjara
Date : 13/03/2025 11:32
