Hahery aho (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hahery aho fa manana Anao
Tsy ho kivy koa satria eo foana Ianao
Eo foana Ianao hitantana ny dia
Eo foana hizara, hanome ilay fitia

Tsy misy zavatra hanahirana
Fa Ianao Jesoa no hisahirana
Ianao no ampinga fiarovana ho ahy
Izany re no manainga ahy tsy hanahy

Ny tafio-drivotra aza noteneninao, nitony
Ny onja nisafoto, tsy nisamboaravoara intsony
Fa manaiky Anao izao rehetra izao
Izay rehetra miseho..., voafehinao ireo
Raha ny hery ety an-tany
Tsisy mihitsy mahavita toy ireo nataonao...

Hahery aho fa manana Anao
Tsy ho kivy koa satria eo foana Ianao
Eo foana Ianao hitantana ny dia
Eo foana hizara, hanome ilay fitia

Tsy misy zavatra hanahirana
Fa Ianao Jesoa no hisahirana
Ianao no ampinga fiarovana ho ahy
Izany re no manainga ahy tsy hanahy

Ny fahafatesana aza tsy nahaleo ny Herinao
Ilay fasana mpangeja,
nivoha nidana tsy nahatoha Anao
Fa manaiky Anao izao rehetra izao
Izay rehetra miseho..., voafehinao ireo
Raha ny hery ety an-tany
Tsisy mihitsy mahavita toy ireo nataonao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 501
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 26/05/2022 09:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0952