Afaka (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Afaka izahay
Ka dia ho ambaranay
Ny fitiavana atolotr'Andriamanitra antsika
nanolorany ny Zanany
ho ahy sy ho anao
ho sorona hitondra indray ny heloka izay natao

Afaka izahay
Ka dia ho ambaranay
Ny fitiavana atolotr'Andriamanitra antsika
nanolorany ny Zanany
ho ahy sy ho anao
ho sorona hitondra indray ny heloka izay natao

Nafoiny ny Rany ho fanadiovana,
ho fanavotana
Nafoiny ny Ainy
ho famonjena antsika izay sakaizany

Deraina Ianao Andriamanitra ô!
Dera ho Anao Andriamanitra ô!
Fitiavana lehibe tokoa no natolotrao anay
Te hisaotra Anao izahay,
Misaotra Anao ry Ray

Deraina Ianao Andriamanitra ô!
Dera ho Anao Andriamanitra ô!
Ho fiderana hatrany no hanehoanay ny andronay
ary amin'ny fo tokoa ry Tomponay Tsitoha
Ry Tomponay Tsitoha...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0784