NY TIA (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha lavo aho dia teo Ianao
Mavomavo aho fa tsy nohambanianao
Fa fitiavana no asetrinao hatrany ireny
Tena namana fitaratra amin'ny toetra na fiteny

Raha mifaly aho dia eo Ianao
Raha narary aho mbola teo foana Ianao
Fanomezana avy amin'Andriamanitra
Hampafantatra izany atao hoe "TIA" maharitra

Ny Fitiavana dia manolotra ny ainy hamonjy ny hafa
Ny tena namana tsy manotrika izay tsy nety na sarotra aza
Mahari-po no sady mora fanahy
Tsy mihebo koa fa mitsinjo ny ho avy

Tsy manao izay tsy mahamendrika
Tsy masiaka na koa mora tezitra
'Lay mifaly raha mahomby ianao
'Lay mananatra raha toa mizahozaho

Ny Fitiavana dia manolotra ny ainy hamonjy ny hafa
Ny tena namana tsy manotrika izay tsy nety na sarotra aza
Mahari-po sady no mora fanahy
Tsy mihebo koa fa mitsinjo ny ho avy

"Ny TIA dia manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany
Ny TIA dia mahari-po sady mora fanahy
Tsy mialona - tsy mirehareha - tsy mihebohebo
Tsy manao izay tsy mahamendrika - tsy mitady ny azy
Tsy mora sosotra - Tsy manao otri-po
Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana - Fa miara-mifaly @ fahamarinana kosa
Mandefitra ny zavatra rehetra - Mino ny zavatra rehetra
Manantena ny zavatra rehetra - Maharitra ny zavatra rehetra"

Hey
Tsy manao izay tsy mahamendrika (Tsy manao izay tsy mahamendrika)
Tsy masiaka na koa mora tezitra
'Lay mifaly raha mahomby ianao
'Lay mananatra raha toa mizahozaho

Tsy manao izay tsy mahamendrika (Tsy manao izay tsy mahamendrika)
Tsy masiaka na koa mora tezitra
'Lay mifaly raha mahomby ianao (Ny Tia)
'Lay mananatra raha toa mizahozaho (mizahozaho)

Raha mifaly aho dia eo Ianao (Teo Ianao tsy nandao)
Raha narary aho mbola teo foana Ianao (ouh)
Tsy mandao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora Masina Itaosy
Hits : 1055
Likes : 1 Like
Created by : sarobidy
Date : 01/03/2024 10:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771