Ilay tokana Mpamonjy (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mpiasa no tsy mihinana e!Dia tsy maintsy hitaraina noana
(Vokiso ny Teninao ‘zahay ry Jesosy)
Raha mpitory mahatsiaro vizaka e!
Dia mby ho aiza ity fanompoana?
(Omeo ny herinao hiasa hazoto foana)
Ilay Jesosy no tokana Mpamonjy anao (Izy ekena)
Na sarotra na mora tsisy mampanahy (Izy tsy mandao)
Ka apetrao am-pelatanany avokoa (ny fiainanao)
Fa Izy mahafantatra izay mahasoa (ny ho avinao)
Fiverenana :
Jesosy avao no Tompo Tsitoha Mpamonjy ny fiainana
Tsy rafesina na ino na ino manjo anakà
Apetrako am-po fa Izy efa niharitra sy nahafoy ny Ainy
Nokinapoka ve tsy natao (sy tambo isaina)
Nofinantsika ny Tomponao (nihatra aman’aina)
Nororana nalàna baraka kanefa dia zakany tsy mba nitaraina
Nokinapoka ve tsy natao (sy tambo isaina)
Nofinantsika ny Tomponao (nihatra aman’aina)
Nivoa–dinitra nivoa–drà ‘Lay nizaka ny mafy ho ahy
Asakasak’izay ho vizaka e!
Neninao tsy aloha fa afara
(Ny nenina hono anie tsy ao aloha fa afara)
Mitsangana hefao ny adidinao
Dieny izao tsy ho diso anjara
(Hefao ny adidinao, faingana ianao sao tara)
Ilay Jesosy no Tokana Mpamonjy anao (Izy ekena)
Na sarotra na mora tsisy mampanahy (Izy tsy mandao)
Ka apetrao am-pelatanany avokoa (ny fiainanao)
Fa Izy mahafantatra izay mahasoa (ny ho avinao)
Fiverenana : Jesosy avao no Tompo Tsitoha Mpamonjy ny fiainana ...
A/C : SDN
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tanora Masina ItaosyHits : 689
Likes : 0 Like
Created by : Anahy
Date : 20/03/2024 21:56