Hikatsaka fiadanana (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamy ny ankohonana eo anatrehanao
Sy ny zavatra rehetra izay noharinao
Nefa mamy indrindra koa Ilay Jesosy Tia
'Zay namindra fo anao mpanota sy mpania

Fifaliana, fahasambarana ve no iainanao ombieny ombieny ?
Nga hadinonao avy amin'iza moa ireny i! i! ?
Nefa izay rehetra tsy avy amin'Ilay Andriamanitra Tsitoha
Ario izao dia zao fandrao vao mainka hahavoa

Raha ny Ziogam-pahoriana mahakivy sy mampitomany
Lalana hizorantsika avokoa izany i! i! ?
Sady andrefesan'Izy Tompo ny Finoana ao anatinao
Ny faharetanao hanjary ho Fiainam-baovao

Raha te hikatsaka Fiadanana ianao
Dia ambony indrindra ny amin'ny fanahinao
Moa mba fantatrao ve ny amin'Ilay Kristy
Izy no fiadanana mandrakizay doria

Diso hevitra ianao raha ny fiainana eto an-tany
No hiantorahanao sy hifikiranao hatrany i! i!
Ity tany ity anie ka manam-pataperana sy mety lo
Tsy azo antenaina fa tena mamitaka tokoa

Sao dia tsy fantatrao fa izany Jesosy izany
Dia mbola mifona ho antsika an-danitra any i! i!

A/C : SDN
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora Masina Itaosy
Hits : 124
Likes : 0 Like
Created by : Anahy
Date : 20/03/2024 16:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0866