Loharanoko (Tanora in Faith)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hizarako ny hafaliako, hitantarako izay manjo ahy
Ory amin'ny fahoriako, manafatahotra sy ahiahy
Loharanon'ny fisiko, Mpanasitrana, Mpiaro ahy
Mpanefa izay mba faniriako
Mandrakizay eo foana Izy ho ahy

Ianao lay loharanom-pifaliana
Lay loharanon'ny fiadanako, fahasambarako
Ianao Jesosy, Ianao no tena namako
Lay Mampandresy ahy amin'ny adiko
Ilay manomana ny ho aviko, harambatoko
Ianao Jesosy, Ianao no fitiavako

Hizarako ny hafaliako, hitantarako izay manjo ahy
Ory amin'ny fahoriako, manafatahotra sy ahiahy
Loharanon'ny fisiko, Mpanasitrana, Mpiaro ahy
Mpanefa izay mba faniriako
Mandrakizay eo foana Izy

" Jesosy " Ianao lay loharanom-pifaliana
"Jesosy " Lay loharanon'ny fiadanako, fahasambarako
Ianao Jesosy, Ianao no tena namako
" Jesosy " Lay Mampandresy ahy amin'ny adiko
" Jesosy " Ilay manomana ny ho aviko, harambatoko
Ianao Jesosy, Ianao no fitiavako

Oh oh oh
Ianao Jesosy, Ianao no loharanoko

A/C: Isaia RABEARINTSOA
https://soundcloud.com/tanorainfaith/03-loharanoko-tif?in=tanorainfaith/sets/ny-hatanoranay-tanora-in-faith-album-1
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora in Faith
Hits : 12734
Likes : 2 Like
Created by : InFaith
Date : 16/09/2016 21:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1091