teny fiainana (T.I.A Andraisoro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay mandinika ny teny
Dia mangetaheta fahendrena
Tenin'ny fahalalana
Mananatra manoro izay hombana
Raha misy ny manjo
Raha reraka ny nofo
Dia mampitony fo
Mahabe finoana ny Teny

Jesoa mpampianatra o!
Mba hazavao re ny saina
Handray izay tianao lazaina
Masina ny teninao
Aina velona ho anay

Ref:
Sakafo sy ranon'aina
Fototra mamelona ny fanahy
Manavao sy mampahery koa ny fo
Tsy ho foana tsy holevona tsy ho lo
Manambara ny haleben'ilay fitia
Izay natolotr'ilay Ray
Teny fiainana manampy sy mitaiza
Tenin'ilay Avo indrindra



Miditra am-pegonana
Indraindray atao fahazarana
Tokony hanamaivana
Satria mandray famelan-keloka
Toa mavesatra ny fo
Mila vahaolana soa
Mivavah ombieny ombieny
Diniho ny teny nomeny

Jesoa mpampianatra o!
Hahirato re ny maso
Hahay handinika tsara zay lazain'ny teninao
Tsy handika vilana izahay

Ref:


Tonony sy feony : Tojo Randrianaivojaona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : T.I.A Andraisoro
Hits : 1317
Likes : 0 Like
Created by : aro86
Date : 14/11/2014 12:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747