Aza atao tsinontsinona (SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Trotratrotraky ny fiainana izato ianao raolombelona
Ka mitady hiantsampazana hamaha hamongotra ny olana
Saingy zavamahadomelina no ataonao andry iankinana
Ka indrisy mahonena iano fa nanampy fahoriana indray

Ref:
Aza avela hisy handrotika anao
Fa jesoa efa nanafaka,
Koa aza ataonao tsinontsinona
Tempolin'Ny Fanahy Masina anie
Izato tenanao ry olona o, Jesoa tia anao


2.Ilay satana dia mamitaka mody mampirantiranty anao
Ireo karazan-java-marobe ataony fandrika hamelezana
Tsy mba ny filan'ny nofo anie no atao hoe tena fiainana
F'angataho amin'i Jesoa tia f'Izy no afaka hanome izany

Ref:
Aza avela hisy handrotika anao
Fa jesoa efa nanafaka,
Koa aza ataonao tsinontsinona
Tempolin'Ny Fanahy Masina anie
Izato tenanao ry olona o, Jesoa tia anao


3.Indro Jesoa fa manolotra ho anao ny tena fiainana
Lalana sy fahamarinana izay mitondra hasambarana
Tano mafy ao anatinao ny finoana an'ilay Tompo tia
F'Izy no hany hanome anao ilay fiadanana mandrakizay

Ref:
Aza avela hisy handrotika anao
Fa jesoa efa nanafaka,
Koa aza ataonao tsinontsinona
Tempolin'Ny Fanahy Masina anie
Izato tenanao ry olona o, Jesoa tia anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy
Hits : 249
Likes : 0 Like
Created by : AndryNomenjanahary
Date : 23/05/2025 09:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0802