Mijoro (SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Mijoro eto izao izato fikambananay
Dia noho Ianao ry Ray 'zay naha toy izao anay
Ka saotra dera laza no atolotray ho Anao
Satria Ianao dia tsy mandao fa mahavelona anay
Ref:
Vonona hifady sy hiady amin'ireo izay
Zava-mahafady mahasimba ny tempolinao
Vokovoko Manga hijoro ho vavolombelonao
No hany tarigetranay, mba hampio re zahay ry Ray
2.
Hitaiza sy hikolo ny fo sy saina amam-panahy
Hampiely sy hitory ny Filazantsaranao
Iriana ho mandramaty izany fijoroanay
Fanantenana hatrizay dia ny ho eo anilan'i Jesoa
Ref:
Vonona hifady sy hiady amin'ireo izay
Zava-mahafady mahasimba ny tempolinao
Vokovoko Manga hijoro ho vavolombelonao
No hany tarigetranay, mba hampio re zahay ry Ray
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : SVM Andon'i Hermona Soavinandriana ItasyHits : 331
Likes : 0 Like
Created by : AndryNomenjanahary
Date : 23/05/2025 09:31
