Mpandresy isika (SAMIA FPVM Ankaraobato Betesda)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ka na dia mandalo ady sarotra ianaoMitondra vesatra isan'andro ihany koa
Dia matokia fa Jesosy, tsy hamela anao irery
Ou! Ou! Ou! Ou!
'lay mampandresy anao, hanoana hatrany
Ny hiadananao no tena tanjony!
Ref:
Manoatra ny mpandresy isika amin'ny ahalalan'i Kristy
Tsy misy mahasaraka an'ny fitiavany anie, etyyy
Fa tsy hanary anao mandrakizay ny Tompo
Ra mbola eto an-tany ka hatrany an-danitra any
'lay mampandresy anao hanoana hatrany
Ny hiadananao no tena tanjony.
Ekeo Jesosy ho tompon'ny fanahy
Minoa f'efa nitsangana ihany koa
Ho famonjena sy famelàna
Ny fahavalo efa resiny
Ou! Ou! Ou! Ou!
Ka dia Jehovah no fialofana
Amin'ny andro fahoriana
Ref: ...
--------
Link:
About this song
Artist : SAMIA FPVM Ankaraobato BetesdaHits : 783
Likes : 1 Like
Created by : Mihkanto
Date : 18/04/2019 11:49