Fiainan-tsambatra (SAMIA FPVM Ankaraobato Betesda)

https://tononkira.serasera.org/hira/samia-fpvm-ankaraobato-betesda/fiainan-tsambatra-1

Hainao! Hainao! Hainao fa
Ny fanahy anie dia tsy maintsy ho tsaraina
Ka hevero izay tokony hatao
Ireo akaiky anao sy ireo hafa ilazao fa
Na ho haingana na ho ela
Dia tokony hieritreritra izay hiafaranao
Ny tsara dia tokana ihany
Ny handova lanitra izay tsy misy fiafarana

Ka mba diniho izay hiafaranao anio
Mba diniho izay hiafaranao

Ref:
Hiainam-piainan-tsambatra
Fa aniTsiky dia ampylan'Andriamanitra
Foana ny fahoriana sy ny fifaliana
O! Ry Ray 'lay be fitia tolory azy ireo
Ny famindram-ponao sy ny fahasoavanao

K'aza, aza variana amin'ny eto an-tany fa tsy mahasoa anao
Miambena ka mivavaha fa tsy ho fantatrao izay hiavian'ny fotoana
Jesosy Kristy irery ihany, dia 'lay fiandohana ary koa fiafarana
No efa nanomana toerana tsara izay ho ahy sy ho anao

Ka mba diniho...
Ref: ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SAMIA FPVM Ankaraobato Betesda
Mpamaky : 218
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mihkanto
Tamin'ny : 18/05/2019 02:41:00
ID : 11704

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo