tsy misy afa-tsy ianao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ianao Jesoa no itokianay,
Mba hitantana ny làlanay
Ka meteza Ianao hiaraka aminay,
Hamakivaky zao fiainana izao
Tsy misy afa-tsy Ianao ry Tompo ô!
No kapiteny hitarika anay
Ka izao ataonao no ataonay
Hanehoanay fa miaraka Aminao zahay

Marobe ny zavatra iainanay ety antany ety
Toa fankam-panahy tsy hanao ny sitrakao re Jesoa
Ka meteza ianao hiaraka aminay mba ahafahanay
Mandresy ireo ratsy,ka ny Anaranao no entinay
Mandresy reo fahavalonay

2-Ianao Jesoa no antenainay
Mba hanoro anay ny làlanay
Mba hanao ny sitrakao tokoa ‘zahay,
Hanao tokoany tena marina
Tsy misy afa-tsy Ianao ry Tompo ô!
No hanoro ny lala-marina
Ka izao ataonao no ataonay
Hanehoanay fa miaraka  
                                
                                         A.Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 174
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 28/02/2025 09:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0205