tsy maintsy ho resena (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF: Fanahy ratsy telo no fahavalontsika
Tsy maintsy ho resena eto antany
Dia ao lay satana ary ko devoly
‘lay  voambara hoe demony

1-Ny satana no mahatonga anao
Ho lasa kivy lava foana foana
Tena mampirisika anao tsy hanohy tokoa
Ny ezaka natao
Miasà ianao dia manàna fananenana
Dia horesinao tokoa anie ‘lay satana

2-Ny devoly no mahatonga anao
Mba hankahala hatrany  reo namanao
Tena mampirisika anao
Hiady amin’ireo sakaizanao
Miasà ianao dia manàna fitiavana
Dia horesinao tokoa anie ‘lay hoe devoly

3-Ny demony no mahatonga anao
Ho lasa saro-tahotra tokoa e
Tena mampihena hatrany hatrany
Ny finoana izay anananao
Miasà ianao de manàna finoana
Dia ho resinao tokoa anie lay demonia
NY FANANTENANA SY NY FITIAVANA FINOANA
No entina mandresy ‘lay fahavalo

                                          A . Hery Razanakoto
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 167
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 04/03/2025 07:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0792