mihezaha mitady (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry vola ô ! Raha mbola eto antany
Ry vola ô ! Dia mila anao hatrany
Fa n’inon’inona ataonao
n’aiza n’aiza re no misy anao
Dai tsy afaka aminao fa mila anao tokoa
Tena ilaina hatrany ny fananana harena
Nefa saino ihany ireo zavatra kendrena
Tena ilaina tokoa re ny vola  amin’ny zavatra atao
Ny fitiavn’azy tafahoatra no aoka ho tena feranao
Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy re
Ka miezaha hanao ny fahamarinana

2-Ry vola ô ! Raha toa tsy misy anao
Ry vola ô !tsy maintsy hitady anao
Fa ahoana moa no fomba tena azo atao
Hikatsahako ny momba anao
Dia tsy maintsy hitady anao fa mila anao tokoa
Mandosirà hatrany ny fitiavambola re
Mihezaha mitady ,mihezaha manao ny tsara
Ny toe-panahy mifanaraka ny fitiavan’Andriamanitra
Sy ny finoana ary fitiavana,fahalemem-panahy
Miadia ny ady ‘lay  tsara ny finoana re
Tazomy ny fiainana mandrakizay  
                    
              A . Hery Razanakoto  (09 Mars 2021)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 148
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 04/03/2025 06:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0204