hiverina aminao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Indro aho hiverin’indray ao ambalanao
Nahatsiaro tena fa diso  niala taiminao
Tena diso aho satria ,natoky tena dia nania
Nvily làlana ka nandao ‘lay akaninao

2-indro aho hiverin’indray eo akaikinao
Nahatsiaro tena tokoa hiverina Aminao
Tena vonona aho satria nandray ahy lay Ray be fitia
Ka mahatoky aho fa voaray any an-danitra

REF:
Nivezivezy tokoa nanao fiainana e!
Nandany ireo harena zay nomenao ahy
Toa faly  éry aho nihinana,tsy nisaina izay hiafarako ety
Tapitra fongana vao tonga saina hao
Akeoko ihany mitoetra eo an-tranon-dRay
Faly amin’ny izay rehtra nomenao ahy
Koa indro aho fa hiverina Aminao
Na dia ho isan’ireo zay mpanomponao
Raiso aho Raiko tia hiverin’Aminao
Ianao la’ very ka hita indray,ianao lay maty ka velona
Manantona ianao fa raisiko tokoa

                         A . Hery Razanakoto  (01 Avril 2022)                  
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 236
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0789