Valimbavaka (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsapanao ho tena mafy ve ny adinao Rahavako ô ?
Miverena amin'ny Ray dia mivavaha antsoy Jesô
Fa tsy misy tsy voavaha ny olanao raha mino ianao
Dia mivavaha hatrany hovonjeny ianao izao anio izao

REFRAIN:
Manonja ve ny alon-drano ?
Ka mivena izato ianao
Sahirana ny tokantrano
Sarotra izay atao
Ianao dia tsy irery aza mitondrika ô Mitrakà!
Tsy misy tiany ho very ireo ondriny ianao no mivavaha


2- Raha mitady handrombaka sy hamiravira anao indray
'Lay satàna efa resin'io fa matokia ianao ny Ray
Toky tsy mamitaka Ilay Mesia mpanafaka
Tsy misy Tiany ho very ireo ondriny f'ianao no Mivavaha

REFRAIN:
Manonja ve ny alon-drano ?
Ka mivena izato enao
....

FARANY : Manonja ve ny alondrano ?
Mivavaha ho tony io
Raha mikorontana ny tokantrano
Antsoy Jesô, ho Alaminy io
Mba hampilamina an'i Madagasikara re ô! Mibebaha
Marain-tsy hariva aza reraka ianao fa mivavaha
Izao re no toky Omeny anao 'zay reraka sy sasatra
Ho avy aminao tsy ho ela anie izany valim-bavaka

SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
--------
Link:
Comments
niainarahadra ( 31/01/2018 15:29)
SALSA FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Hits : 2387
Likes : 1 Like
Created by : niainarahadra
Date : 31/01/2018 15:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726