Mahereza mitrakà (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Hoy Jesoa Kristy Tompo ry mpanompo mahatoky
''Ao atranon'ny Raiko, misy toerana ho anareo
Ho an'izay madio am-po, tsy mba niova nankato
Hitoetra ao An-tranony ianao

REFRAIN:
Mahereza re! Atsaharo ny tomany
Tsy maharitra anie, raha ny eto an-tany
Mpivahiny ety, fandalovana koa
Vetivety sy mielina tokoa

2- Mitrakà ianao fa ny Ray ao ambony
Mampahery anao sy mampitony
Apetraho Aminy, 'zao fiainana izao
Sy 'zay rehetra mampitebiteby anao

REFRAIN:
Mahereza re! Atsaharo ny tomany
Tsy maharitra anie, raha ny eto an-tany
Mpivahiny ety, fandalovana koa
Vetivety sy mielina tokoa

FARANY: X2
Maherez'eh! Mitrakà! Matokia!
Aza mitanondrika eo fa Jesoa tia
Efa nanamboatra toerana ary
Hitoerantsika rehefa miala ety!!


FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1381
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 31/01/2018 18:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721