Misy goaika (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy goaika roa mivady izay nisakana eo aloha e
Na i dada na i neny dia mahazo zavatsoa (eny re)
Misy goaika roa mivady izay nisakana eo aloha e
Na i dada na i neny dia mahazo zavatsoa

Dia nafafy re ny vary ka natao ketsa "ligne" e
Mafy loatra hoy aho ny didy izay navoakan'ny kaominina e (eny re)
Dia nafafy re ny vary ka natao ketsa "ligne" e
Mafy loatra hoy aho ny didy izay navoakan'ny kaominina e

(Feon-tsodina)

Matoy re ny vary ka ataovy tsara toto ô
Fa isika roa hivady raha sitrapon'ny Tompo (eny re)
Matoy re ny vary ka ataovy tsara toto ô
Fa isika roa hivady raha sitrapon'ny Tompo

Fa nahoana hoy aho ra dada no tsy avela hanambady
efa reraka ny aina ka tsy afaka ny hitady (eny re)
Fa nahoana hoy aho ra dada no tsy avela hanambady
efa reraka ny aina ka tsy afaka ny hitady
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rossy
Hits : 23
Likes : 0 Like
Created by : RalitaTanjona
Date : 05/06/2026 11:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0358