Te-hahita (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba ilazao
Ilazao izay havako izay
Fa ny ohatr’izao
Ny ohatr’izao tsy ho mandrakizay
Fotoana vetivety ihany
Tsy maintsy andalovana izany
Ady mazana
Matoa tsy tazatazana

Mba te-hahita anao anie aho
Nefa tsy afa-manoatra
Mbola betsaka loatra
Ny zavatra atao
Te-ho any
Te-ho any aho
Androany izao dia izao
Manina e
Nefa tsy afaky ny handeha
Ny eritreritra injao lasana any
Manjohy anao hatrany
Tsy afaka anefa te-ho any
Hafatra sisa no iononana apetraka hoe
Veloma hono hoe

Fa ny aty e e
Nofy izay hanadino
Efa tsindrindaona
Te-hahita anao foana
Ny aty e e
Matoky sady mino
Mbola hisy fotoana
Hahafahana mihaona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Rasolondraibe
Hits : 4351
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 02/12/2002 09:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765