Jeso Mahavonjy (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh! Ouh! Ouh! Ouh!  Ah! Ah! Ah!

Ho anao mahatsiaro reraka am-po,
manahy mafy fa tonga ilay farany
Matahotra fa ho rava ny dia.
Matokia, aza matahotra,
Jeso Mahavonjy !

Mahery indrindra Izy
hampitony ny rofinao
Mahery indrindra Izy
hampahery anao
Ka ny hakiviana hanjary ho fifaliana
Ny faharesena ho tonga fanantenana

Ho anao mandalo fitsapana mijaly
Anaty hianjadim-pahoriana tokoa
Very hevitra tapidalan-kaleha.
Matokia, aza matahotra,
Jeso Mahavonjy !
        
Mahery indrindra Izy
hampitony ny rofinao
Mahery indrindra Izy
hampahery anao
Ka ny hakiviana hanjary ho fifaliana
Ny faharesena ho tonga fanantenana

Ho anao marary very fanahy,
Malemy am-po lany hery sy feno ahiahy,
Mandeha irery toa kamboty re.
Matokia, aza matahotra,
Jeso Mahavonjy !

Mahery indrindra Izy
hampitony ny rofinao
Mahery indrindra Izy
hampahery anao
Ka ny hakiviana hanjary ho fifaliana
Ny faharesena ho tonga fanantenana

Ouh! Ouh! Ouh! Ouh!  Amen !
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751