Hafa mihitsy (Fy Rasolofoniaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fitsikiko irayFanaoko rehefa indry no miantso ahy
Eto aho dia toa variana
Dia variana, tsy fanahy iniana
na hoe fidiana ilay tsiky
F'izany angamba no atao hoe tia
Misy teny roa
Eo ampototry ny molotro
Tsy ho lazaiko
Tsy ho tantaraiko
Na ho hiraiko mandrapikiakako faran'ny aiko
Ho rendry
Ndry anie hafa mihintsy
Manome tsy mitsitsy
Hianarako miaina sy mitia
Isan'andro ny anilandry
Tsy haiko aloha na haindry
F'izao no tsapako
Ny fitempon'ny fondry
No gadona andihizako
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Mankafy
Eny miodina, miodina, miodina anilandry
Mistery ho ahy
Ny masondry manavatsava fanahy
Madio mangarahara
Tsotra nefa tsara
Manambara
Fa tsisy tahotra ny fitia
Ny fijery roa,
Nefa ny fondri toa mitempo ao an-tratrako
Fanamby ho an'ny saiko
Tosika ilaiko
Mampatsiahy f'ety an-tany aho natao hankafy
Ndri anie hafa mihitsy
Manome tsy mitsitsy
Hianarako miaina sy mitia
Miaina sy mitia
Tsy haiko aloha na haindry
F'izao no tsapako
Ny fitempon'ny fondry
No gadona andihizako
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Mankafy
Eny miodina, miodina, miodina anilandry
Tsy haiko aloha na haindry
F'izao no tsapako
Ny fitempon'ny fondry
No gadona andihizako
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Mankafy
Eny miodina, miodina, miodina feno fitia
--------
Link:
Comments
hery
(
11/03/2023 17:20)
Fa i Fy ihany izany ve ity sa "Hafa mihitsy" ?
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Fy RasolofoniainaHits : 30920
Likes : 1 Like
Created by : RashAmy17
Date : 11/03/2023 15:27