Sambatra (Rambao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra izay mibaboka ny hadisoany
Fa izy ihany dia afaka hampitony
Ny mafy izay nikiky tao am-pony
Sambatra izay efa nahadio ny lalana hodiaviny
Satria olo-mitsinjo ny ho aviny
Dia ilay paradisa izay tadiaviny

REF : Nahoana ianao no toa gaga amin'izany
Fa taiza foana no toa izao vao manontany
Ndeha banjino izay tokony atao
Fa aza dia variana milalao
Dieny mbola misy ny fotoana
Ndeha re mba hifampitaona
Ny rendrarendra anie ka tsy ho lany
Raha mbola tany koa ny tany

Sambatra izay mino Anao ry Tompo Ray Tsitoha
Fa izy no lazaina fa mifoha
Ary hinoana fa madio fo
Sambatra izay tsy mandika ireo didy folo
Fa izy no tena velombolo
Ary vavolombelon'ny tontolo
REF....

Sambatra izay mibaboka ny hadisoany
Fa izy ihany dia afaka hampitony
Ny mafy izay mikiky tao am-pony
Sambatra izay efa nahadio ny lalana hodiaviny
Satria ol-mitsinjo ny ho aviny
Dia ilay paradisa izay tadiaviny
RE...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rambao
Hits : 914
Likes : 0 Like
Created by : harymbola
Date : 19/12/2020 01:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076