Tsy mora (Poopy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa tsy mora kay hoy ianaoNy mitaiza manabe itony zanaka
Fiainana hafa indray no hiainana
Toa ny mianatra mandeha
Misalasala ianao
Dia mila ho kivy indraindray
Ahoana ihany ilay mba ho efa ihany ve
Ny adidinay
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Ka rariny raha toloranao fitia
Ho vatsy ho entiny
Hanoy ny fiainany
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Kanefa tsy maintsy hiatrika ny dia
Ka mila anao ho tia
Sy mba ho namany
Mila fiainana ampy fitia
Ampandroso tsara hatrany ny fanahiny
Toa ilainy koa indraindray
Misafidy izay aleha
Tsy mila tantana Ka mila faharetana
Tsy hay refesina
Fa tsy izay ao an-dohanao
No an-tsainy koa
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Ka rariny raha toloranao fitia
Ho vatsy ho entiny
Hanoy ny fiainany
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Kanefa tsy maintsy hiatrika ny dia
Ka mila anao ho tia
Sy mba ho namany
Tsy ampy raha ny hoe
Mibedibedy fotsiny
F’ilainy indrindra ianao
Hitantana sy ahatoky
Ts’isy naniry ny ho ety
Tsy ho tolorana fitia
Ho vatsy entiny
Hanoy ny fiainany
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Kanefa tsy maintsy hiatrika ny dia
Ka mila anao ho tia
Sy mba ho namany
Tsy ampy raha ny hoe
Mibedibedy fotsiny
F’ilainy indrindra ianao
Hitantana sy ahatoky
Source: http://www.multimania.com/schmilblik/tena-nam.html#1
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : PoopyHits : 4695
Likes : 0 Like
Created by : Heriniaina
Date : 21/10/2001 23:10