Tahio (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Apetrako eo an-tananao
Ary ombay ny hatsarànao
Andriamanitra o mba tahio,
Sombinaiko io

Zaho mba toroy sy ampahalalao,
Hahay hitondra ilay nomenao,
Ampio hahay hitarika io
Sombinaiko io.

Na ho maro eny, ny mafy holalovany,
Ampy ho ahy ny teny fa ianao momba ny diany

     Ny tena iangaviako anao
     Ho eo ambany tantananao
     Omeo fo sy saina madio
     Sombinaiko io.

     Ka raha sanatria mandao
     Minia miala ny lalanao
     Andriamanitra o ahitsio
     Sombinaiko io.

     Fa tsy misy tsara toa ny manana anao
     Fa manana anjara amin’ny fiarovanao

Ny tena iangaviako anao...
--------
Link:
Comments
vrasamy ( 26/09/2016 15:58)
Miarahaba tompoko,

Mba mitady partition piano an'io hiran'i Poopy io ho an'izay afaka manome hianaran'ny zanako fa nohiraiko tamin'ny komonio voalohany dia tena tiany be ilay hira hany ka tiany hianarana ny mitendry azy hihirako miaraka aminy ao an-trano. Dia misaotra mialoha tompoko


Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Poopy
Hits : 24994
Likes : 2 Like
Created by : Heriniaina
Date : 15/11/2004 10:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1022