DIENY IZAO (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tahotra ny Tompo Andriamanitra
No fiatomboam-pahendrena haharitra
Ny tenin'olonkendry dia voalanjany
Ny adala no tsy mandanja izay ambarany

izay rehetra mino an'Andriamanitra
Dia mahalala tsara izay voafaritra
Fa mila mahafantatra ny Teniny
Mba tsy ho diso lalana any

Chorus:
Fa tsy misy very izay rehetra mandeha
Amin'iny lalana mahitsy iny anie
koa dieny izao raha mbola velona tsy tara ianao
Miandry anao ny Tompo tia

Toa lasa mahavariana, mahatalanjona ery
Ny zaca-bitantsika ety an-tany ety
Fa ilay fandalovan'i Kristy tety
Zary adino, toa ny tsinotsinona ery

Nefa Izy no ilay Teny tsy mivadika
Izy no sady Toky sy Maharitra
Izy miandry anao halolo-tanana
Te handray ka hiara-dalana

Bridge:
Izy no ilay Teny tsy mivadika
Izy no Toky sy Maharitra
Izy miandry anao hiverina indray
Dieny izao dia tapao
Ho aiza moa no tianao

Auteur: Poopy
Compositeur/arrangeur: Naivo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Poopy
Hits : 5621
Likes : 0 Like
Created by : mihantasoa
Date : 29/08/2010 15:47
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143