ZOVY (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zovy moa no inoanareo,
Ô ry mpino sy mpivavaka
No hita taratra miseho
Fifaliana tena miavaka,
Moa tsy misy ve ny fahoriana
Lavitra zava-manasatra
Fa dia feno fahatokiana
Manam-piaina tonga lafatra

Hendratra aho tsy sahy haneho
Toa tsy haiko ny handahatra
Ny ao anatiko jereo
Fiainan-tsiky tsy mifahatra
Sarotra resena ny adin-tsaina
Mora miova koa ny maso
Ô nahoana e ! no hafa fiaina
Ianareo, lazao nahoana moa


Toa anao izao, izay vahiny
No nandre, nanaiky ho vonjena
Hahatanteraka ‘lay hery
Ao anatin’ny fahalemena
Tsy ny fahoriana no tsy misy
Na ny ady no lavitra anay
Fa miroso satria mino
Ilay Jeso Kristy Tomponay

Raha tianao ny ahalala
Dia iaino, dia ho tsapanao
Fa ny tsara tena tsara
Dia ‘ilay fo manaiky ho azy izao
Ny fanantenana tsy mba maty
Raha Kristy  ekena ho Tompo iray
Ho Mpitarika hatrany
Dieny ety sy ho mandrakizay.
--------
Link:
Comments
nyarama ( 28/05/2024 08:36)
Miarahaba, toe tsy mety tonga any anaty application ity hira ity?
hery ( 28/05/2024 10:02)
Ok jereko
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Mpitory
Hits : 99
Likes : 0 Like
Created by : nyarama
Date : 23/05/2024 10:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728