Misaotra Anao (Ny Antsafia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao zahay Ry Ray
Noho ny fitantananao ny fiainanay
Midera mankalaza, manandratra ny Anaranao,
'Lay feno ny voninahitra

Misaotra Anao zahay Ry Ray
Noho ny fitantananao ny fiainanay
Tiako ny miaina anilanao Ry Ray
Ka misaotra e, misaotra Anao
Satria tsy misy maharombaka

Fa mbola misaotra Anao dia misaotra Anao
Noho ireo fitiavana atolotrao
Fa mendrika ho deraina ny Anaranao,
Anarana Masina
Fa mbola hitory hatrany, n’aiza n’aiza maneran-tany
Hamonto filazantsara ho an’ny taranaka afara
Ka hafantatra avokoa an’i Kristy Jesoa

Misaotra Anao zahay Ry Ray
Noho ny Fitantananao ny fiainanay
Midera mankalaza, manandratra ny Anaranao,
'Lay feno ny voninahitra

Misaotra Anao zahay Ry Ray
Noho ny fitantananao ny fiainanay
Ireo talenta nomenao, entinay hiderana Anao, ka mankasitraka

Fa mbola misaotra Anao dia misaotra Anao
Noho ireo fitiavana atolotrao
Fa mendrika ho deraina ny Anaranao,
Anarana Masina
Fa mbola hitory hatrany, n’aiza n’aiza maneran-tany
Hamonto filazantsara ho an’ny taranaka afara
Ka hafantatra avokoa an’i Kristy Jesoa

Fa mbola misaotra Anao dia misaotra Anao
Noho ireo fitiavana atolotrao
Fa mendrika ho deraina ny Anaranao,
Anarana Masina
Fa mbola hitory hatrany, n’aiza n’aiza maneran-tany
Hamonto filazantsara ho an’ny taranaka afara
Ka hafantatra avokoa an’i Kristy Jesoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Antsafia
Visites : 169
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Sanda825
Date : 14/08/2025 21:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0185