Aoka ho masina (Ny Antsafia)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa voarara, ny fananana Andriamanitra hafaFivavahana izay mety ho afahafa
Ny fiankohofana ireo sampy samihafa
Fa ny teny, ny baiboly no milaza izany
Fa Izy ihany no Andriamanitra Ray
Dia Jehovah Andriamanitrareo
Aoka ho masina tokoa ianareo
Fa Izy dia Masina rahateo
Aoka hitombo ny finoanareo
Mba tsy ho voafitaka
Aza atao ny mangalatra , aza atao ny mamitaka
Aza atao ny mifanao lainga
Afa tsy mba sitraky ny Tompo ireo fanaratsiana
Fanamelohana ho an’izay mahavita izany
Aza hamavoina ny Anaran’ny Tomponareo
Ary aza minia tsy mahalala Azy ianareo
Mba matahora Azy kosa
Mba tsy hananana heloka
Fa izany no didin’Andriamanitra
Aza atao ny fifandrafiana etsy sy eroa
Ny fialonana izay mahavoa
Fifandirana sy ireo lolom-po
Tsy fanao, ny adiady sy fifamonoana
Fandrahonana, fanambakana
Tsy fiheverana,ny fahadalana
Aoka ho masina tokoa ianareo
Fa Izy dia Masina rahateo
Aoka hitombo ny finoanareo
Mba tsy ho voafitaka
Aza atao ny mangalatra , aza atao ny mamitaka
Aza atao ny mifanao lainga
Afa tsy mba sitraky ny Tompo ireo fanaratsiana
Fanamelohana ho an’izay mahavita izany
Aza hamavoina ny Anaran’ny Tomponareo
Ary aza minia tsy mahalala Azy ianareo
Mba matahora Azy kosa
Mba tsy hananana heloka
Fa izany no didin’Andriamanitra
Aoka ho masina ianareo satria masina tokoa ny Tompo Andriamanitrareo
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny AntsafiaHits : 175
Likes : 0 Like
Created by : Sanda825
Date : 27/09/2025 20:12
