Vol2. AMINAO (Ny Antsa Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reférence :
Sal 103 :1-5 ;17-18)
« Misaora an’I Jehovah ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany Masina,
Misaora an’i Jehovah ry fanahiko, ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra … »

--------------------------------------------------------------------

1. Ilay namela ny heloko
Ilay nitsabo ny aretiko
Ilay nanavotra ny aiko
Tsy ho latsaka an-davaka

2. Ilay nanome famindram-po
Ilay nanafy fiantràna koa
Ilay niahy hatry ny taloha
No anaterako saotra mandrakizay

NY HATOKY ANAO, IZAY NO DINA HAJAIKO
NY HITOETRA AMINAO, EZAKA KASAIKO
FA IANAO TOMPO O! NANAVAO INDRAY NY FOKO
TSY NAHAFOY AHY RAHA NISY HADISOAKO

FA NY FAMINDRANAO FO
HATRAMIN’NY TALOHA SY HO MANDRAKIZAY
NY FAHAMARINANAO OMENAO IZAY MANKATO NY FANEKENY

Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana
(oct 2005)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsa Fitiavana
Vangy : 1781
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : malilatiana
Daty : 02/04/2009 11:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0876