Vol1. MIANDRY, MANANTENA (Ny Antsa Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reférence :« Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. »
(1 Jaona 2:17)
« Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho,
Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy »
(Salamo 91:14)
--------------------------------------------------------------------
TANORA O! HENOY ‘ZAO HIRA IZAO
ANTSO, MITALAHO, NOHO NY FITIAVANY ANAO
FA JESOSY ANIE MIANDRY, MANANTENA
NY HANOLORANAO NY FIAINANAO HO AZY IZAO
1. Marina, tsy misy izay maha-ory anao
Ny tanjaka, ny hery koa anananao avokoa
Kanefa ho toy izany foana ve
Tsonjovy re ny farany
2. Namako ô! Tsy hoe filan-kisa aminao
Tsy fanerena anao koa handao ny lapa soa
Fa kosa tsy ho ireo no anankinanao ny fo
Andeha re ! omeo an’i Jesoa
3. Ho anao sahirantsaina lava izao
Tsy mba manana ireo harena, vola koa
Fa ny hany mba anao dia ny fanahinao
Omeo re !, fa tsy hanenenanao
Tonony sy feony :RAKOTONANAHARY Haritiana
2003
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny Antsa FitiavanaHits : 2164
Likes : 0 Like
Created by : malilatiana
Date : 31/03/2009 16:17