Jeso Fananako (Ny Ambasadôrà)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy manana atolotra fa hoe mahantra loatra Tsy misy hitarainana, miady mafy @fiainana
ô!iza no mpangoraka? Izao izahay efa trotraka
Very fanantenana, tsy misy hifaharana
Ref: Ho kivy ve ho sanatria,
manana Anao Mpamonjy tia
Hiantoraka eo Aminao, ho eo an-tratranao
Na handao ireo havana,
Na hahafoy koa ireo namana
Ianao no fananako, am-pelatanako
Ny harena mora potika,Ny laza voninahitra
Tsy azo hianteherana, mandalo sy miserana
Jeso no antenaiko, manome izay ilaiko
Tsy misy izay tsy vitany, ny maty aza natsangany
Ref: Ho kivy ve ho sanatria,
manana Anao Mpamonjy tia
Hiantoraka eo Aminao,
Ho eo an-tratranao
Na handao ireo namana na hahafoy koa ireo havana Ianao no fananako, am-pelatanako
Hiroso hatrany izany dia
Na inona hanjo ety
Tsy misy hahasaraka Aminao
Na izao tontolo izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny AmbasadôràHits : 1210
Likes : 0 Like
Created by : Fanaja Mandranto
Date : 07/04/2020 21:17