Ilay Feo (Ny Ambasadôrà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ao an-tsofinao ao sy ny eritreritrao
Misy bitsika hoe :"làlan'aiza no aleha?"
Lala - migodana ve izay betsaka mpandeha
Tsisy sakan - dàlana nefa tsisy hifandraràna
Miangavy anao diniho 'zay atao
Fa hoy ny teny :" na maro ireny,
dia tsy voatery ho any amin'ireny,
no mahavonjy ny ainao!"

Ref:
Mba henoy ilay feo iray,
Mitondra anao ho amin - dRay!

Toa tamin'ny andron'i Noa valo mianaka
Maro izay nifidy hoe:
"maro anisa hatrany hatrany"
Kanjo dia nanenina, ranomaso ozona
Zary fahafatesana , no niandry azy ireo
Koa jereo tsara , f'ilay anjara
Dia ny safidy atao anio
Tsy miankina aminy ny olotianao
Na koa ny ray sy reninao

Ref:
Mba henoy ilay feo iray,
Mitondra anao ho amin - dRay!
Mitondra anao ho amin - dRay!
Misy feo tsy manery
Mora nefa azo antoka
Raha zatra nandà ianao
Dia tsy re intsony ilay feo!
O! O!!!!!! O!!!!
Ilay feo!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ambasadôrà
Vangy : 262
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : onyrak
Daty : 02/02/2023 11:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0777